Psalms 45

Tonon-kiram-panambadiana, fiderana ny mpanjaka be voninahitra

Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ ny Koraïta. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana.

1

2Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ ny faingan-tsoratra ny lelako. 3Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay. 4Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. 5Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin’ ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana. 6Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra ― Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao ― ka mitsatoka ao am-pon’ ny fahavalon’ ny mpanjaka. 7Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao. 8Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao. 9Miora sy hazo manitra
Heb ahalota.
ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
10Zanakavavin’ andriamanjaka no isan’ ny malalanao; eo ankavananao no itoeran’ ny vadin’ ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira. 11Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao; 12Raha irin’ ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao ― fa izy no tomponao ― dia miankohofa eo anatrehany. 13Ary ny zanakavavin’ i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin’ ny vahoaka hila sitraka aminao. 14Be voninahitra ny zanakavavin’ ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany. 15Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin’ ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao. 16Entina amin’ ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ ny mpanjaka izy. 17Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ ny tany rehetra izy. 18Hampahatsiaro ny anaranao hatramin’ ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran’ ny firenena anao mandrakizay doria.
Copyright information for Mg1865